Jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fanendahana ity nifanehatra tamin’ny polisin’ny UIR teny Anosibe Tsena, omaly maraina, ity. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy manoloana ny tsy fandriampahalemana miseholany eny amin’iny faritra iny. Ireo mpiantsena sy mpandeha fiara no tena lasibatra. Tao anatin’ny andro maromaro no nilatsaka teny an-toerana nanara-maso ity jiolahy ity sy ny namany ny polisy. Nametraka paikady ireto farany tamin’ny alalan’ny fisafoana sy ny fametrahana polisy manao fanamiana sivily. Nifanehatra tamin’ireo polisy tokoa ity jiolahy tamin’io omaly maraina io. Nifanenjehana teny Anosibe izy ka namoaka sabatra saika hamely ireo polisy. Vokany, nitifitra avy hatrany ny mpitandro filaminana ka lavo nandritra izany izy. Tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny polisy no nahafantarana fa jiolahy efa matetika nigadra teny amin’ny fonjan’ Antanimora sy Tsiafahy ity jiolahy voatifitra ity.
Nanafika Cash point…
Nifanenjehan’ny zandary koa ny jiolahy raindahiny amin’ ny fanafihana Cash point. Lavon’ny bala tao Tanamakoa, Toamasina, ny alakamisy 3 oktobra teo, izy io. Nanafika irony mpiasa amin’ny toeram-pandefasana vola amin’ny alalan’ny finday irony ity jiolahy ity sy ny namany, ny alin’ ny alarobia teo. Naratra ny lasibatra ary lasan’ireo olon-dratsy ny vola. Nanao fikarohana avy hatrany ny mpitandro filaminana. Naharay loharanom-baovao izy ireo fa mihaodihaody ao amin’ny fokontany Tanamakoa io olon-dratsy io. Ity farany izay fantatra fa tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Voasambotra izy ny harivan’ny alakamisy, tamin’ny 7 ora. Nitantara ny fomba nanatanterahan’izy ireo ny asa ratsiny izy nandritra ny famotorana. Nanaiky hitondra ny zandary any amin’ny toerana misy ireo namany io jiolahy io. Nanararaotra ny andro alina, notoheriny ireo mpitandro filaminana nanaraka azy. Nitsoaka nandositra izy ka nampiasa fitaovam-piadiana ny zandary. Vokany, lavo teo am-pandosirana ilay jiolahy. Tetsy ankilany, namoy ny ainy ilay renim-pianakaviana voatsatoka antsy nataon’ireo olon-dratsy tamin’io alin’ny alarobia io, tao Toamasina.
J.C/Tsiferana R.