Aretina mpiseho amin’ny tany mafana : ilaina ny paikady iraisan’ny firenena frankofona

Nivoaka ny tatitra vaovao momba ny vesatra ateraky ny aretina mpiseho amin’ny tany mafana notsinontsinoavina (MTN) ho an’ireo firenena mampiasa ny teny frantsay.

Fitambaran’ny aretina toy ny habokana, bilarziozy, dengue, haromotana… azo sorohina sy tsaboina ny MTN izay miteraka takaitra, in­drindra ho an’ireo mponina tena marefo. Mety hitarika amin’ny fahasembanana sy fahafatesana ny MTN ary miteraka fatiantoka ara-toekarena satria mihena ny fahafahan’ny mponina mamokatra. Mahatratra 1,6 miliara ny isan’ny olona tratran’ny MTN maneran-tany ary aty amin’ny firenena mampiasa ny teny frantsay aty Atsimon’i Afrika sy any Asia Atsimo Atsi­nanana ny ampahany betsaka.
Tsapa fa nisy ny ezaka vita hanamafisana ny fanafoanana ny MTN ary tao ireo firenena sasany efa niroso amin’ny famongorana ny ampahany amin’ny aretina amin’izao fotoana izao. Ilaina ny fanokanana vola bebe kokoa hanatsarana ny fandaharanasa fanaraha-maso sy famongorana ireo karazan’aretina ireo. Voalazan’ny tondrozotra 2021-2030 avy amin’ny OMS fa tokony hihena hatramin’ny 90% ny isan’ny olona raisina an-tanana vokatry ny MTN hatramin’ny taona 2030 ary firenena 100 no nahavita nanafoana fara faharatsiny aretina iray amin’ireo MTN. Araka ny tatitra farany nivoaka nandritra ny fivoriana faha-19 ny OIF, 211 tapitrisa ny olona monina aty amin’ny tany mampiasa ny teny frantsay tsy maintsy noraisina an-tanana vokatry ny MTN.
Nivoitra tao anatin’ny tatitra fa mananosarotra ny ady noho ny fiovan’ny toetr’andro ka mamparefo kokoa ny faritra sasany ary mahatonga ny aretina sasany hahery vaika. Ilaina, noho izany, ny mamaritra paikady iraisana ho an’ny firenena mampiasa ny teny frantsay, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamana any Bénin, Pr Benjamin I. B. Hounkpatin.

Vonjy

Partager sur: