Atrikasa niarahan’ny RRI sy ny SIF: hatsaraina ny zo amin’ny fananan-tanim-pokonolona eto Madagasikara

Nisy atrikasa natao tetsy amin’ny Radisson Ambodi­vona, omaly, niarahana tamin’ny Right and Ressources Initiative (RRI) sy ny Sehatra iombonana ho an’ny fananantany (SIF). Mikendry ny hanatsarana ny fankatoavana sy fiarovana ny zo ho an’ny fananantanim-pokonolona eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana sy ny andrimpanjakana. «Tan­jona ny hampandrosoana sy hanaovaozana ny fitantanana ny fananantany, indrindra ny fiarovana ireo zo ho amin’ny fananantanim-pokonolona», hoy ny teknisianina eo anivon’ ny SIF, Soavina Laha­tra Nasolo Harijery, teny an-toerana. Mbola tsy manana lalàna miaro ny zo ho amin’ny fananana tanim-pokonolona eto Madagasikara. Maro ane­fa ireo tany ampiasain’ny fokonolona, toy ny tany anorenana fananana iombonana, ny tany firaofan’omby na kijana, hambolen-kazo na misy fomba amam-panao… «Mbo­la tantanina amin’ny fomba nentim-paharazana ny tany any ambanivohitra», hoy kosa Razafindratsimba Vonjy, tale jeneralin’ny Fond national foncier, eo anivon’ny minisiteran’ ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Tandin­donin-doza, araka izany, ny sehatry ny fananantanim-pokonolona.Tsy afaka misoratra amin’ny anaran’ny fokonolona ny tany, anisan’ny nojerena sy nalamina nandritra ny fihaonana ny hahafahana miaro ny zo amin’ny fananantanim-pokonolona. Tsy maintsy hojerena ny fomba hampiharana ny lalàna vaovao, hijerena ny tany izay tantanin’ny fokonolona. Tonga nanatrika izany ireo mpiantsehatra rehetra voakasika amin’ny fiarovana ny tanim-pokonolona. Andrasana amin’izy ireo ny famaritana ny paikadim-piaraha-miasa sy fitantanana ny ho avy ary amin’ny alalan’ny famolavolana drafitrasa iraisana. Andrasana ihany koa ny hamoahana karazana tondrozotra manambara ny asa lehibe hatao mandrita ny taona 2025.

Mino

Partager sur: