Atsimo Atsinanana : hananganana fotodra­fitrasa manara-penitra

Ho fampandrosoana ny fanatanjahantena any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, nisy ny fifampiresahana nataon’i Marson Moustapha Abdullah, minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) sy ireo solombavambahoaka dimy avy any amin’iny Faritra iny, ny talata lasa teo, teny Ambohijatovo. Anisan’izany ry Raby Savatsarah Ain’Harimanga, Andria­nam­benana Velomihoatra Painchard, voafidy tao Farafangana, Ratolojanahary Arsène, lany tao Midongy Atsimo, Razafin­dria­tsara Jonhson Anatol, voafidy tao Befotaka Atsimo ary i Maminirina Jolce, voafidy tao Manakara.
Tapaka nandritra ity fihaonana ity ny hanamboarana fotodrafitrasa manara-penitra any amin’ireo distrika mbola tsy nisitraka izany. Eo ihany koa ny fanavaozana izany, ho an’ireo faritra efa nananganana. Zava-dehibe tokoa ity fihaonana ity, samy naneho ny fahavononany hiara-miasa amin’ny fampandrosoana ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny minisitra sy ireo solombavambahoakan’i Madagasikara any amin’ity faritra ity.

Tompondaka

Partager sur: