Miasa andro aman’alina. Mitohy ny fiarovana an’Antananarivo Renivohitra amin’ny fiakaran’ny rano amin’ny alalan’ny hetsika tanterahin’ny Apipa, eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT).
Mihaino sy manohy ny asa fidinana ifotony, amin’ny fikirakirana sy ny fanadiovana ny fotodrafitrasa rehetra mba hahafahana mampihena ny mety ho fitrangan’ny tondradrano, miteraka loza, ny eo anivon’ny Apipa amin’izao fotoana.
Manatanteraka izany, mandritra ny alina, izy ireo isaky ny talata sy ny alakamisy ho an’ny asa fanadiovana ny lakandranon’Antananarivo, raha amin’ny atoandro kosa izany, isan’andro. Anisan’ny efa nirosoana ny fanadiovana sy ny fanalana fako eo amin’ny lakandrano Andriantany “Aval” ho an’ny faritra Ampefiloha
Tafiditra ao anatin’ny fanadiovana koa ny fanalana fako mitsikafona iarahana amin’ny sampana teknika mpiandraikitra ny fikirakirana sy ny fanadiovana ny lakandrano eo anivon’ny Apipa ny talata lasa teo. Niasan’izy ireo tamin’izany ny lakandrano « Andriantany Aval » teo amin’ny faritra Ampefiloha.
Fiaraha-mientana sy fandraisana andraikitra
Tsiahivina fa efa nosokafana vao tsy ela izao ny lakandrano GR rehetra amin’ny faritra Andohatapenaka sy 67 ha ary ireo faritra hafa. Anisan’ny tafiditra tanteraka amin’ny paikadin’asa, ho fiatrehana sahady ny vanim-potoanan’ny fahavatra izany. Nanamafy izany ny tomponandraikitra fa anatin’ny asa fiomanana amin’ny fiatrehana ny fiavian’ny orana izao hetsika fanalana ny fako mitsingevana amin’ny lakandranon’Antananarivo izao. Efa nanomboka ny volana mai teo izany. “Tanjona ny hampihenana ny fako manohana ny fikorianan’ny rano eny amin’ny lakandrano”, hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Apipa. Anisan’ny andraikitr’izy ireo izany ary mifanindry an-dalana amin’ireo asa maro hafa sahaniny koa. Maro ny zavatra mifampiankina vao tena mahomby ny fanadiovana, ary mila ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay.
Na izany aza, tsy ho tanteraka avokoa izany na manao ny asany aza ny Apipa raha tsy miara-mientana ny rehetra hisorohana ny mety ho tondradrano rehefa tonga ny orana.
Synèse R.