Hotanterahina eto Antananarivo, ny 5 sy 6 desambra izao, ny fihaonana an-tampon’ ireo mpandraharaha sy mpamatsy vola aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Maherin’ny 300 ireo mpanapa-kevitra, tompona orinasa, handinika ireo vina toekarena aty amin’ny faritra voalaza hananganana paikadim-piaraha-miasa hampiroboroboana ny fampandrosoana lovainjafy.
Ambohipihaonan’ireo mpandraharaha mitady fanavaozana ho an’ny hoavin’ny toekarena ny hetsika. Horesahina mandritra izay ny fanamby ara-toekarena, tontolo iainana sy teknolojia. Eo koa ny sehatry ny indostria, indrindra ny fanamafisana ireo fifanarahana ara-barotra eo amin’ireo fitrandrahana ireo akora samihafa « Hampiroborobo ny indostria malagasy sy hanamafisana ny toekarena eto an-toerana ny CEO Summit », hoy ny minisitry ny Indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David.
Fifanakalozana
Hisy ny fandaharam-potoana hifampizaran’ireo matihanina maneran-tany traikefa. Hisongadina manokana ireo sakafo vokatry ny fambolena, ny niomerika, ny angovo azo havaozina ary ny toekarena manga. Hanomboka ny 14 oktobra, atsy amin’ny Nosy La Réunion sy Maorisy ireo delegasion’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena hanomana ny hetsika.
Henintsoa Hani