INDRAY MIJERY

Vinavinaina ho mafy ny vanim-potoan’ny rivodoza amin’ity taona 2024-2025 ity, mety hifanakaiky na ho mafy kokoa noho ny tokony ho izy. Hanodidina ny roa hatramin’ny dimy ny isan’ireo rivodoza mety hiantraika mivantana an’i Madagasikara. Ahina mafy ny hisiana rivodoza mety hiditra an-tanety avy any amin’ny ranomasimbe Indianina nefa mety hisy koa ny avy any amin’ny ilany andrefana manamorona ny lakandranon’i Mo­zambika. Noho ny fiovan’ny toetr’andro, rivodoza mahery vaika iray dia mety hiteraka voka-dratsy goavana.

Ho fanaovana adisisika amin’ny fampandovana ny vehivavy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, nitety ireo kaominina iasany ny tetikasa GIZ Pro-Sar. Nandray anjara tamin’ny hetsika koa ny mpikamban’ny Chanut ao an-toerana.Vondrozo, Vangaindrano ary Farafangana ny distrika notetezina, naharitra 20 andro ny asa. Nifarimbona tamin’ny mpikarakara ny ONG Fiantso, ny minisiteran’ny Mponina, ny JDIDH Atsimo Atsinanana. Niantefan’ny fanentanana ny Ampanjaka sy ny sefo fokontany, ireo ben’ny Tanàna ary ny reny mavitrika.

Partager sur: