OIF: Tanjona ny hametraka paikady marolafy, tsy misy fanilihana

Teny anisan’ny manana ny maha izy azy eto amin’izao tontolo izao ny teny frantsay. Ankoatra izay, mampiray sy mampivondrona firenena maro ihany koa izy, hoy ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, nandritra ny fandraisam-pitenenany.

Notanterahina omaly, tao amin’ny Lapan’i Villiers-Cotterets Paris Frantsa, ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fihaonana an-tampony faha-19 ny Frankofonia. Firenena 21, ao anatin’ny vondron’ny tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay, no miatrika izany. Tao anatin’izany no nanambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny maha zava-dehibe io teny io, indrindra eo amin’ny fifandraisana ara-diplomatika. Anisan’izany ny fitondram-panjakana malagasy, izay miaraka amin’ny delegasionina tarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Anisan’ny nanamarika izany lanonam-panokafana izany ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny Toniziana sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny frantsay.
Mitondra tombony sy vokatsoa maro ho an’ny firenena mpandray anjara ny fihaonana an-tampon’ny Fran­kofonia. Anisan’izany ny fifandraisana amina firenena maro sy mpitondra fanjakana isan-karazany. Notsindrian’i Louise Mushikiwabo, Sekretera jeneralin’ny « Organisation internationale de la Francopho­nie » (OIF) mazava, tamin’ny kabariny, fa “Fianakaviambe iray mampiroborobo ny teny frantsay ny Frankofonia. Poro­fon’izany, ahitana firenena miteny frantsay avokoa ny kaontinanta 5 manerana izao tontolo izao”.
Hametraka paikady marolafy, tsy misy fanilihana firenena no tanjon’ny OIF. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fa­nomezan-danja ny fahaleovanten’ny vehivavy amin’ireo tetikasa hiaraha-miasa amin’ny OIF. Nohamafisiny fa mahavelombolo ny dingana vita ao anatin’ny fianakavimben’ny Frankofonia. Ani­san’ ireny ny fampirisihana an’i Djibouti sy i Madagasikara, izay firenena ao anatin’ny Vondron’ireo firenena mampiasa amin’ny ampahany ny teny frantsay, handray anjara amin’ny fifidianana filohan’ny Kaomisiona afrikanina.

Lin

Partager sur: