Rugby – “WXV III” : resin’i Hong Kong ny Makis Ladies

Lavon’ny ekipan’i Hong Kong, tamin’ny isa 38 no ho 7, ny Makis Ladies, omaly, tao amin’ny kianja Sevens Stadium, Dubaï. Tsiahivina fa tafiditra amin’ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondaka ma­neran-tany amin’ny taranja rugby, “WXVIII”, sokajy vehivavy, ity fifanandrinan’ny roa tonta ity.
Teo amin’ny fizaram-po­toana voalohany, nanjaka tanteraka ny ekipan’i Hong Kong. Nanatitra baolina nentin-tanana telo izy ireo, ka iray ihany no tsy voatsara tamin’izany. Isa 19 no ho 0 nentin’ny roa tonta niala sasatra, resy ny ekipa nasionaly malagasy. Nandritra ny fidirana faharoa, niezaka ny hanohitra ireto sinoa mpanao rugby ireto ihany ny Malagasy saingy tsy tafavoaka na dia nahatsindry baolina iray aza i Délphine, Malagasy mpilalao, ny minitra faha-67.
Niafara tamin’ny 38 no ho 7 ny isa teny amin’ny solaitrabe, nandresy i Hong Kong. Ity no faharesena faharoa azon’i Madagasikara, tamin’ity fifanintsanana iraisam-pirenena ity. Nandritra ny andro voalohany, nomontsanin’i Espagne, 83 no ho 0, Malagasy. Taorian’ iny fihaonana tamin’i Hong Kong iny, mbola manana lalao iray, afaka hanarenana ireny lesoka ireny, ny ekipam-pirenena malagasy. Ny 11 oktobra ho avy io, hifandona amin’i Samoa ny Makis Ladies de Madagascar.

Fitia Randria

Partager sur: