Nifarana omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A 2024, taranja basikety. Nanao pao-droa ny ekipan’ny Zandary, tamin’ity fifaninanana Elites 8 ity. Samy norombahin’ny GNBC avokoa ny fandresena, teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy. Raha hiverenana izay vokatra izay, nandresy ny MB2ALL Analamanga, tamin’ny isa 77 no ho 65 ny GNBC Analamanga, teo amin’ny sokajy vehivavy. Noporofoin’ny ekipan-dry Sambatra sy ry Chine fa ekipa manana ny maha izy azy izy ireo ary nahazo ny anaram-boninahitra voalohany teo amin’ny N1A vehivavy. Ny MB2ALL izay tompondaka farany no nolavoin’ny GNBC tamin’ity fifaninanana N1A 2024 ity. Tafapetraka teo amin’ny laharana fahatelo ny ekipan’ny Ascut Atsinanana, rehefa nanilika ny ekipan’ny JEA Vakinankaratra, teo amin’ny fiadian-toerana fahatelo sy fahefatra. Isa 58 no ho 54 no nisarahan’ny roa tonta.
Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, nohamafisin’ny GNBC indray ny mbola maha sangany azy ireo. Nahazo ny fandresena nanoloana ny Ascut, tamin’ny isa 78 no ho 72, izy ireo, nandritra ny lalao famaranana. Ny ekipan’ny COSPN kosa no laharana fahatelo, teo amin’ny lehilahy, rehefa nandavo ny BCB Boeny tamin’ny isa 72 no ho 60. Voahosotra ho mpilalao mendrika teo amin’ny sokajy lehilahy, Randriamampionona Elly (GNBC). I Sambatra (GNBC) kosa no mpilalao mendrika indrindra teo amin’ny sokajy vehivavy.
Mi.Raz