Beach Volley-Mada: nisongadina ny ekipan’Atsinanana

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Toamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, Beach volley. Nisongadina ny ekipan’ Atsinanana, na teo amin’ny vokatra izany, na teo amin’ny isan’ny mpandray anjara. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy lehilahy, i Anthonio sy i Hasina izay nandresy an’i Nico sy i Willot, tamin’ny seta 2 no ho 0. Nisongadina nanomboka hatrany amin’ny fiandohan’ny lalao teo amin’ny ekipa roa tonta, ireo mpandresy. Teo amin’ny vehivavy kosa, nivoaka ho mpandresy tamin’ny alalan’ny Tie break i Mellissa sy i Emma, rehefa nisaraka seta 1 no ho 1, nanoloana an’i Andri sy i Momi. Mpilalao avy any Toamasina no betsaka nandritra ity fifaninanam-pirenena Beach volley ity raha nisy ihany koa ny mpilalao avy eto Analamanga sy avy any Boeny. Tsiahivina fa taranja anisan’ny mbola tsy dia misy miresaka firy ny Beach volley saingy efa manomboka tafapetraka eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Federasiona malagasin’ ny volley-ball rahateo ny hampiroborobo ity taranja ity.

Mi.Raz

Partager sur: