Betongolo : mitohy ny fotoam-pitsarana miaramila

Nitondra fanazavana ny talen’ny fanompoam-pirenena sy ny fitantanana ny fiandry eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy (DSNGR) sady mampahafantatra ny rehetra fa mbola mitohy ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra ny fitsarana miaramila. Eny amin’ny Kianjan’ny miaramila eny Betongolo ny fotoam-pitsarana ho miaramila taona 2024, manomboka anio 07 oktobra ka hatramin’ny alahady 13 oktobra 2024. Miantomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 3 ora tolakandro izany, mandritra io fito andro io. Nomarihin’ny DSNGR hatrany fa ireo tovolahy sy tovovavy mizaka ny zom-pirenena malagasy 19 ka hatramin’ny 31 taona no voakasik’izany. Izany hoe, ireo teraka teo anelanelan’ny taona 1993 ka hatramin’ny taona 2005. Karapanondrom-pirenena sy penina manga no entin’ireo olona hitsara miaramila izay mbola nohamafisin’ny DSNGR fa tsy misy vola aloa. «Entanina ny rehetra mba hanefa ny adidiny amin’ny firenena», hoy ny DSNGR.

Jean Claude

Partager sur: