“Can 2025” – Barean’i Madagasikara : Mpilalao efatra mirahalahy naverin’ ny mpanazatra

Hiditra amin’ny andro fahatelo sy fahefatra amin’ny ady tapakila handraisana anjara amin’ny” Can 2025”, ny Barea de Madagascar, amin’ity volana ity. Hanao lalao mandroso sy miverina amin’i Gambie izy ireo, ny 11 sy ny 14 oktobra ho avy izao, any Maroc.

Afaka andro vitsy, izany hoe, ny 11 sy ny 14 oktobra ho avy izao, any Maroc, hifanandrina amin’ny Scorpion Gambie ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Lalao izay tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Can Maroc 2025”. Mpilalao 27 no nantsoin-dRakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô, mpanazatra Barea. Tafaverina tao anatin’izany ry Marco Ilaimaharitra, Njiva Rakotoarimalala sy Kenji Van Boto ary Clement Couturier. Ny fifanandrinan’ny Barea tamin’i Tchad, tany Maroc, ny volana novambra lasa teo, no nilalaovan’izy telo mirahalahy, Njiva sy Marco ary i Kenji, farany tao anatin’ny ekipa nasionaly. Raha toa ka ny fihaonana tamin’i Mali, ny an’i Clement.
Araka ny vaovao voaray tany an-toerana, roa ihany ny vaovao, ary vodilaharana no toerana misy azy ireo. Anisan’izany i Davidson Gueguen, 20 taona, avy ao amin’ny klioba frantsay diviziona fahadimy, Ville­franche, sy i Morgan Jean Pierre, 31 taona, milalao ao amin’ny US Orleans, diviziona fahatelo ao France.
Tsy voaantso kosa i Safidy Fortun sy i Tsiry kely. Tsara ny mampahatsiahy fa ao amin’ny vondrona “A” no misy ny Barea de Madagascar, amin’ity fifanintsanana ity. Manana isa iray izy ireo, ary mitana ny laharana fahefatra. Mifanintsana miaraka amin’ny Malagasy ao i Tunisie, Comores ary i Gambie.

Fitia Randria

Ny anaran’ireo mpilalao 27 mirahalahy
Mpiandry harato :
Rakotoasimbola Zakanirina na i Nina, Teva Gardies, Sonny Laiton.
Vodilaharana :
Louis Demoleon, Thomas Fontaine, Sandro Denis Tremoulet, Morgan Jean Pierre, Davidson Gueguen, Rabemanantsoa Radoniaina, Kenji Van Boto, Razafindrabearimihanta Rajo Nirina na i Berajo, Thierno Millimono.
Afovoany :
Andriamanjato Tokifandresena Rojolalaina, Ibrahim Samuel Amada, Raveloson Rayan Ny Aina, Johan N’Zi, Clement Couturier, Marco Ilaimaharitra.

Lohalaharana :
El Hadari Raheriniaina, Ryan Ponti, Fontaine Nicolas, Loic Lapoussin, Carolus Andrea Andriamahitsinoro, Randrianantenaina Arnaud, Rakotoarimalala Njiva, Caddy Warren, Randrianarijaona Tendry Mataniah.

Partager sur: