Faha-25 taonan’ny CSLA : Klioba valo no tonga namaly ny antso

Nankalazaina teny amin’ny Epp Anosivavaka Ambohima­narina, ny sabotsy lasa teo, ny faha-25 taonan’ ny klioba tolona “Club sportif lutte Ambohi­ma­narina (CSLA)”. Ho fanamarihana izany, nisy ny fifanintsanana izay nokarakarain’izy ireo ho an’ny mpikatroka tolona sokajy zandriny, U13 ary U11, lahy sy vavy. Klioba valo no namaly ny antso tamin’ity hetsika ity. Ankoatra ny klioba mpikarakara, nahatonga solotena ihany koa ireo ekipa sangany, toy ny 3FB sy ny COSPN ary ny Rossary Club. Natao hitrandrahana ireo taninketsa amin’ny taranja tolona ny hetsika. Tanjon’ity fikambanana ara-panatanjahantena etsy Ambohimana­rina ity ny hamerina ny laza sy ny hampiakatra ny haavo teknikan’ireo mpikatroka eto Madagasikara. “Manana ny sokajy rehetra ny CSLA. Vonona ny hiatrika ny fifaninanam-pirenena izay hatao ny volana desambra ho avy io izahay. Ny tsy fahampian’ny enti-manana no mbola lesoka ary miantso ireo tomponandraikitra mba hijery akaiky ny taranja “, hoy Razafitsiho­ara­na Maminirina, mpampiofana ao amin’ny CSLA.
Nambaran’ity teknisianina ity ihany koa fa efa mihitatra any Ivato sy Ambohiman­ga­kely ny CSLA. Tsara ny mampahafantatra fa tamin’ity lalao tolona ity, ireo mpitsara avy amin’ny Federasiona malagasy sy ny ligin’Analamanga an’ny taranja tolona no nitantana ny fifanandrinana rehetra teny an-toerana.

Fitia Randria

Partager sur: