FANTINA sy FINTINA

Hivoaka rahampitso ny lisitra ofisialy ho an’ireo kandidà ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, manerana ny Nosy. Hitohy ny alarobia izao izany amin’ny fanaovana antsapaka ny ho laharan’ireo kandidà ao anatin’ny biletà tokana. Hotanterahina eny amin’ny CED isaky ny distrika izany.

Apetraka ny paikady sy ny tsy maintsy hanaovana laharam-pahamehana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana an-drenivohitra sy ambanivohitra. Nivoitra izany tamin’ny fitsidihan’ny minisitry ny Atitany, Rahajavololoniaina Nirintsoa, tany Ambilobe, ny sabotsy teo. Anisan’izany ny fampiasana ny bokim-bahiny, ny fametrahana ny andrimasom-pokonolona…

Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo ny kandidàn’ny Tim, ao Antsirabe amin’ny alalan’ny Me Rabenandrasana Ravaka Hasiniaina. Tohanan’ny vovonana Firaisankina izy amin’izao firotsahany izao. Nampanantena ny tenany fa vonona ny hifanome tanana amin’ny rehetra hanatrarana ny tanjona ho fampandrosoana ny tanàn’Antsirabe.

Manana kandidà miisa 15 amin’ireo kaominina 16 eny Avaradrano ny antoko Tim, amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna. “Tanjona ny hahazoana olom-boafidy maro anisa eny ifotony hanenika an’ity distrika ity”, hoy ny depiote, Andriamosa Avotraina, tamin’ny lahateniny, teny Faravohitra. Nitsodrano azy ireo ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc.

Partager sur: