Firotsahan-kofidina ben’ny Tanàna : Samy mpampangolahy anaty katsaka ireo mpifaninana

Eo ny olom-baovao, eo ihany koa ireo efa goaika antitra amin’ny fanaovana politika, ka hifaninana eo amin’ny toerana izay ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Ho an’ i Toamasina Renivohitra manokana, miisa efatra ny kandidà, ny mpitsara Andria­fanomezantsoa lovaheritiana Alain, izay zandrin’ny ben’ny Tanàna am-perinasa ihany no natolotry ny vondrona Irmar, raha Ratsiraka Rolland kosa no an’ny vondron’ny mpanohitra, nilatsaka amin’ny anaran’ny tenany, ny dokotera Rakotomanana Gervais, ben’ ny Tanàna teo aloha, nandritra ny fitondran’ny filoha Ravalomanana Marc, ary fahefatra ny kandidà Juvence Odilon, MTS nisitaka ka nilatsaka amin’ny anaran’ny tenany, ity farany izay mpanolotsain’ny Tanàna am-perin’asa voafidy tamin’ny anaran’ny MTS.
Miisa dimy kosa ny mpifaninana ao amin’ny kaominina manakaiky tanàna “suburbaine”, Rasamimanana Jasmin Rodolphe , izay tsy miankina. Ireo kandidà efatra hifaninana aminy dia saika efa mpanohana ny volomboasary daholo ihany. Ny disitrikan’ i Feno­arivo Atsinanana kosa dia saika rakotry ny vondrom-pikambanana “Mampiray” avokoa, ny kominina miisa 14, raha 13 ihany no ahitana kandidà narotsaky ny vondrona Irmar. Miisa dimy koa ny kandidà ho ben’ny Tanàna ao an-drenivohitr’i Fenoarivo Atsi­nanana, anisan’ny nirotsaka ho amin’ny anaran’ny tenany manokana, Benango Michel Pascal, izay tohanan’ny fi­kambanana “Fenoaron-tsika jiaby”. Vokatr’ireo rehetra ireo dia samy mpampangolahy anaty katsaka avokoa ka hangotraka ny fotoan’ny fampielezan-kevitra, irina kosa ny hilaminan’ izany.

Sajo

Partager sur: