Fisainana mpanao fanatanjahantena : antoka ho an’ny fahombiazan’ny fandraharahana

Fampandrosoana. Hifan­to­ka amin’ny fahombiazana ara-pitantanana mivoy toe-tsaina ananan’ireo mpanao fanatanjahantena matihanina ny famelabelaran-kevitra ifampizaran’ny Dr Fabrice Lollia, amin’ireo mpitantana orinasa sy tomponandraikitra ambony amina orinasa, ny 19 oktobra, eny amin’ny Club Olympique de Tananarive (Le COT) Ankadikely Ilafy. « Hozaraina amin’ireo mpitantana orinasa ny foto-kevitra sy paikady ary ny fomba fanaon’ireo mpanao fanatanjahantena matihanina eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana », hoy ity manam-pahaizana manokana ity. Natao ahafahan’izy ireo miatrika ny manodidina azy sy ifampizarany ny traikefa azony amin’ny ekipany izany. Lohahevitra azo tamin’ny alalan’ny fikarohana siantifika ireo hozaraina mba hipaka mivantana amin’ny fandraharahana, araka ny fanazavany
Matihanina
Antoka ho an’ny fahombiazan’ny fitantanana orinasa ny fifantohana sy fitandremana. « Mila mitady zavatra tsara hatrany ny matihanina, ilaina ihany koa ny fiaraha-mientan’ny ekipa hanatrarana ny fa­hombiazana », hoy Rajaonera Noro, mpiara-miombon’antoka amin’ny fikarakarana ny hetsika. Mila jerena ihany koa, hoy izy, ny ambana mety hiseho sy ny paikady apetraka hanatsarana ny vokatra. Takina ao anatin’ny fitantanana ny fahaizana miaraka amin’ny ekipa, ny faharetana, ny fikirizana ary ny fifanajana. Foto-kevitra voaporofo ara-tsiansa avokoa ireo hifampizarana afaka andro vitsivitsy ireo.

Henintsoa H.

 

Partager sur: