Fivorian’ny Antenimierampirenena : hafana ny adivehitry ny depiote momba ny sosialy

Hisokatra ny talata 15 oktobra izao ny fotoam-pivoriana faharoa eny anivon’ny Antenimierampirenena. Ani­san’ny fanapahan-kevitra an­drasana amin’ireo depiote ny momba ny sosialim-bahoaka.
Eo aloha ny momba ny fepetra napetraky ny mpamatsy vola, Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), ny amin’ny tsy maintsy hampiakarana ny vidin-jiro sy ny hetra alaina amin’ny karama farany ambony ho an’ny mpiasam-panjakana. Tsy maintsy hodinihin’ireo depiote koa ny momba ny fandaniana ny tetibolam-panjakana taona 2025. Tafiditra ao anatin’izany ny momba ireo famatsiam-bola avy any ivelany, toy ny avy amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) sy ny an’ny FMI.
Fanalan-jaza, ny olan’ny Jirama…

Manampy izany, ny hametrahana ilay vaomiera sy ny filohany hitarika ny fanenjehana ireo mpitondra ambony. Mbola adihevitra tsy vita koa ny momba ilay volavolan-dalàna hampitsaharana ny vohoka tsy niriana na ny fanalan-jaza noho ny antony ara-medikaly. Eo koa anefa ny momba ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny olana sosialy amin’izao fotoana izao: olan’ny Jirama, ny tsy fandriampahalemana…

Hifanindran-dalana amin’izany ny ady mangatsiaka eo amin’ny samy mpanohitra eo anivon’ireo depiote Firaisan­kina noho ny fifandrangitana eo amin’izy ireo manoloana ny fifidianana eny anivon’ny kaominina. Anisan’ny misongadina amin’izany ny fifandrafiana any Mahajanga ka nanolorana kandidà samihafa ho an’ny ben’ny Tanàna. Ahina ho tonga amin’ny fanonganana ny filoha lefitry ny Anteni­mie­rampirenena, fahafito, ny de­piote Randrianaso­lo­niaiko Siteny izany.

Synèse R.

Partager sur: