Mpivady voaroba : lasa ny vola 1 000 euros sy 8 tapitrisa Ar

Jiolahy telo nirongo basy sy antsibe no niditra an-keriny tao amina tokantranona iray, monina ao Ampasimazava, Toamasina, omaly mitataovovonana. Teo am-pisakafoana izy mivady no niditra an-keriny sady nanambana basy ireo olon-dratsy. Notsindromin’ireo jiolahy ny antsy ny renim-pianakaviana sady nakapokapok’izy ireo tamin’ny rindrim-bato ny lohany. Lasan’ireo mpanafika ny vola vahiny 1 000 euros niaraka tamin’ny vola 8 tapitrisa Ar ary finday avo lenta. Tsy naharitra ela ity fanafihana ity, araka ny fanazavan’ireo niharam-boina. Nirifatra nitsoaka tamin’ny moto ry zalahy taorian’izay. Ireo mpifanolobodirindrina no nivoaka nifanome tanana nitondra ilay renim-pianakaviana naratra namonjy hopitaly. Tena mampiaiky ny rehetra ny tsy fandriampahalemana miseholany ao Toamasina, amin’izao fotoana izao. Voasokajy ho faritra mena i Toamasina na eo aza ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy.

Sajo

Partager sur: