Navotsotr’ireo dahalo mpaka an-keriny tao Mangarivotra Sarotramalona, kaominina ambanivohitr’Ambavasambo, distrikan’Anjozorobe, omaly, ireo roa lahy nalain’izy ireo an-keriny. Taorian’ny fifampiraharahana nataon’ny fianakaviany tamin’ireo dahalo dia nandoa vola mitentina 43 tapitrisa Ar izy ireo ho takalon’ny havany ka izao votsotra izao. Ny 16 septambra 2024 izy ireo no nalain’ny dahalo an-keriny tao Antananangatra, fokontany Andranofasika, kaominina ambanivohitr’Ambodirano, distrikan’Amparafaravola. Araka ny filazan’ireo roa lahy nalaina an-keriny, nandritra ny famotorana nataon’ny zandary, dahalo 10 lahy no naka azy ireo, misaron-tava andro aman’alina tao anatin’izay 18 andro izay. Mitondra basy Kalachnikov dimy miaraka amin’ny Mas 36 iray, PM Mat 49 roa ary basim-borona iray ireo mpanao ratsy. Voalaza fa toy ny fihetsika mpitandro filaminana mihitsy ny fanaon’ ireto dahalo ireto nandritra izay fotoana nifaneraseran’izy ireo izay, raha ny filazan’izy ireo hatrany.
J.C