Eo am-pamaranana ny fanatanterahana ny fametrahana motera roa fanampiny ahafahana manampy herinaratra 7,62 MW ho an’i Mahajanga ny Filatex énergies amin’izao fotoana.
Ny fahavitan’ity tetikasa ity dia hanamora ny fahafahana mikirakira sy mikojakoja ireo motera efa eo am-pelatanana ka hanampy ny famatsiana herinaratra ao Mahajanga. Namafisin’ny tomponandraikitra eo anivon’ ny Filatex énergies fa tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’izy ireo ny fanohanana ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara. «Manamarika ny fahavononanay sy ny fanoloran-tenanay hiantoka ny famatsiana angovo azo antoka sady maharitra ho an’ny mponina ao Mahajanga izao dingana izao. Mandray anjara koa amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto amin’ ny firenena», hoy ny Filatex énergies.
Nanomboka ny tetikasa goavana, araka izany, ny Filatex énergies miaraka amin’ireo mpiara-miombon’ antoka amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana mba hamahana ny filana herinaratra izay tsy mitsaha-mitombo eto amin’ny Nosy.
Hamaly ireo fanamby…
Anisan’ny zava-bita lehibe ny toby famokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ao Antsiranana, Toamasina ary Toliara. Maneho ny fahavononan’ny Filatex énergies hiatrika sy hamaly ireo fanamby eo amin’ny resaka famatsiana herinaratra sy angovo ireo. Manohy ny fandalinana ny dingana faharoa amin’ny tetikasa fametrahana toby famatsiana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ny Filatex énergies ao Mahajanga. «Manana vina hitondra fanavaozana eo amin’ny lafiny angovo izahay ary vonona hanohana hatrany ny orinasa Jirama sy hiara-miasa amin’ ny mpiara-miombon’antoka maro hanorina hoavy eo amin’ ny sehatry ny famatsiana angovo», hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Filatex énergies.
Jean Claude