Sehatrasam-panjaka : antoky ny fanjakana tsara tantana ny torohay

Manohy ny adisisika amin’ny fampandaniana ny lalàna momba ny fisitrahana vaovao ho an’ny daholobe eny amin’ ny sehatrasam-panjakana ny Ilontsera. Nisongadina tamin’ ny adihevitra nataon’ireo tomponandraikitra fa antoky ny fiarahamonina milamina ny fisian’ny mangarahara. Miain­ga any amin’ny tomponandraikitra, amin’ireny biraom-panjakana ireny, nefa ny vaovao tena marina ka tokony ho zo mihitsy ny hahafantatra izany fa tsy angatahina akory.
Mbola betsaka ny olom-pirenena matahotra miditra biraom-panjakana noho ny tsy fisian’ny mangarahara. Tokony ho vita petadrindrina mazava ny vola ilaina, ny fe-potoana anaovana taratasy, ny birao miandraikitra ny sahanasa atao… ialana amin’ny fisalasalana.
“Voalazan’ny Lalàmpano­renana andininy faha-11, fa manan-jo hahalala vaovao ny olom-pirenena rehetra kanefa voafehin’ny fepetra voalazan’ ny lalàna ihany koa izany”, hoy Rabenarivo Sahondra, filohan’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI). Misy karazany 2 ny vaovao afaka angatahina dia ny mahakasika ny asan’ny fitondram-panjakana sy ny fampiasana ny volam-panjakana, eo koa ny fanapahan-kevitra.
Tetsy andaniny, nilaza ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrasoava, fa “efa nodinihina ny volavolan-dalàna, nisy fanitsiana vitsivitsy izay naverina any amin’ny filankevitry ny governemanta, ary efa nahitsin’ny minisitera”.
“Mifototra amin’ny fisitrahana vaovao marina sy mari-pototra ny ady amin’ny kolikoly, hoy Randriamampianina Miali­soa, tale mpanatanteraka ao amin’ny ONG TI-MG.

Tatiana A

Partager sur: