« Tennis Tour Juniors » J-30: norombahin’ny Malagasy avokoa ny amboara rehetra

Nanjakan’ny Malagasy ny dingana faharoa tamin’ny « Tennis Tour Juniors” J-30, ho an’ny sokajy zandriny. Lasantsika avokoa ny amboara rehetra niadiana tamin’izany. Niavaka anefa ny pao-droa vitan’i Mirija, sokajy lehilahy.

Nifarana ny sabotsy teo, teny amin’ny Kianja Club Olympique de Tana­narive (COT) Ilafy, ny dingana faharoa amin’ny “Tennis Tour Junior” J-30. Fifaninanana tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Federasiona iraisam-pirenena (ITF), niarahany tamin’ny Kaonfe­de­rasiona afrikanina (CAT) ary ny Fede­rasiona malagasin’ny tenisy (FMT), mpampiantrano. Tsy namelan’ireo Malagasy mpilalao raha tsy nijanona teto avokoa ireo amboara sy medaly volamena, niadiana tamin’izany. Fandresena efatra tamin’ireo sokajy efatra niadiana no azon’i Mada­gasikara.
Anisan’izany ny teo amin’ny sokajy lehilahy, nampisongadina an’Andriantefihasina Mirija. Nanao pao-droa mantsy ny tovolahy, tamin’izany. Teo amin’ny olon-tokana, lavony tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4 ; 7/5), ilay Afrikanina tatsimo, i Western Cuan. Niady hatramin’ny farany ny fihaonan’izy mirahalahy saingy hain’i Mirija ny namezivezy haingana ny baolina ka nahavery ny mpifanandrina taminy.
Mbola nibata ny amboara ihany koa i Mirija teo amin’ny olon-droa, niarahany tamin-dRakotomalala Mahefa. Resin’izy mirahalahy teo amin’ny famaranana i Western Cuan sy ilay teratany sinoa, i Jiaming Guo. Seta 2 (6/2 ; 6/1) no nisarahan’izy ireo. Nataon’izy mirahalahy tsy nisotro rano mihitsy ireo mpifanandrina taminy ireo.
Ho an’ny lalaon’olon-tokana vehivavy, tompondaka Andriantefihasina Elisoa, raha nanilika an’ilay Afrikanina tatsimo, i Roxy Bredenkamp. Seta 2 no ho 1 (6/3 ; 3/6 ; 6/4) no nisarahan’izy mirahavavy. Teo amin’ny olon-droa, lasan’i Mitia Martinez sy ilay Afrikanina tatsimo, i Roxy Bredenkamp, ny voalohany raha nanilika an’i Elisoa sy ilay Italianina, i Nicole Ballota. 6/4 ; 6/4 ny seta nisarahan’izy ireo.

Torcelin

Partager sur: