Vita sonia ny Fandaharanasa manampy ny fitantanana ara-bola sy ny sandan-tohitra (résilience) ara-toekarena tapany voalohany iarahan’i Madagasikara sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Hanatsara ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny tohana amin’ny fahafaha-mitaha sy ny sandan-tohitra ara-toekarena ary hampitombo 55% ny sehatry ny angovo azo havaozina izy io.
Apetraka ny drafitrasa stratejika 2025-2029 ho an’ny tetikasam-panavaozana ny fadintseranana ao Toamasina. Nisy ny fakan-kevitra niarahana tamin’ireo mpandraharaha ara-toekarena izay notronin’ireo solontenan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI). Tanjona ny hamaliana ny filan’ny mpandraharaha.
Mizara ny 60% amin’ny tamberim-bidy (ristournes) aloany ho an’ny kaominina ao amin’ny faritra Anosy ny QMM. Nahazo ny 30% ny kaominina Ampasy-Nahampoana, raha samy nahazo 15% kosa ny kaominina Mandromondromotra sy Taolagnaro. Tanjona ny hisitrahin’ny mponina ny tombontsoan’ny fitrandrahana.
Nisitraka fatana nohatsaraina (Alambics) avy amin’ny tetikasa Pôles intégrés de croissance (Pic) izay vatsian’ny Banky iraisam-pireneana vola ireo kaoperativa 32 ao Nosy-Be. Mahatratra hatrany amin’ny 400 ireo tantsaha mpamokatra lohamenaka Ylang Ylang nahazo ny fampitaovana hampiroboroboana ny fihariany.