Airtel : fankasitrahana ny mpanjifa

Ataon’ny orinasa amin’ny fifandraisan-davitra Airtel laharam-pahamehana ny mpanjifa. Hanamafisana izany ny nanokanana herinandro ho azy ireo.

Toy ny isan-taona, manokana Herinandron’ny to­lo­tra ho an’ny mpan­jifa ny orinasa Airtel, amin’ity herinandro ity. Hampiavaka izany ny fanavaozana ny fanomezana tolotra vaovao ny mpanjifa, ka anisan’izany ny fankasitrahana azy ireo. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Airtel Afrique, Sunil Taldar, fa «tanjona ny hanatsarana hatrany ny fifandraisana amin’ny mpanjifa. Fototry ny tolotra omenay hatrany ny mpanjifa, ary tsy maintsy karohina ny fomba hanatsarana izany. Antom-pisian’ny Airtel ny mpanjifa».
Miisa efatra ny fomba ha­na­tsa­rana ny tolotra omena ny mpa­njifa. Voalohany, fana­tsa­rana ny tolotra niomerika, ha­na­morana ny fahazoan’ny mpa­njifa ny tolotra samihafa. Faharoa, nampiana ny isan’ny mpiasan’ny Airtel, mifandray isan’andro sy isan’ora mikarakara ny mpanjifa amin’ny alal­an’ny tambajotra niomerika. Fa­ha­telo, fanampiana ny mpanjifa manome torolalana sy vahaolana, raha misy filana tadiavin’izy ireo. Fahefatra, mihaino hatrany ny fanamarihana na ny fitarainana samihafa.

Endriky ny fahatokisana
Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny Airtel Africa, fa «tanjona ny eo anilan’ny mpanjifa, mba hanomezana fahafaham-po sy manome lanja azy ireo. Endriky ny fanamafisana ny toky nomenay azy ireo ity Herinandron’ny tolotra ho an’ny mpanjifa ity. Manaja ny fenitra avo sy ny mendrika indrindra ho azy ireo».
Nataon’ny orinasa izany rehetra izany mba hampaharitra ny fifandraisana amin’ny mpanjifa, izay maherin’ny 160 tapitrisa aty Afrika, miparitaka any amin’ny firenena miisa 14. Satria tsy maintsy omena azy ireo ny fahatokisana fa ivon’ny paikady rehetra raisina ny mpanjifa.

Njaka A.

Partager sur: