Tonga manampy ny mpanazatra amin’ny fikarakarana ny tanjak’ireo mpilalaon’ny Barea, any Maroc, i Thomas Gornouec. Hiara-miasa amin’ny Me Bebeto izy mandritra ity lalao hifanandrinana amin’ny Scorpions de Gambie ity.
Tsy ny mpilalao ihany no nohatevenina amin’ity lalao roa hikatrohana amin’ny Scorpions an’i Gambie ity fa ny ekipa teknika ihany koa. Fantatra ary izao, araka ny vaovao nomen’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, omaly, fa manampy eo amin’ny mpanazatra amin’ny tanjaka ara-batana i Thomas Gornouec. Raha tsiahivina, olona tena havanana amin’ny fanomanana ny tanjak’ireo mpilalao ny tenany. Efa nanao izany niaraka tamin’ny Aigle de Mali, nanomboka ny taona 2022, izy. Nitondra izany ekipa izany tany amin’ny Can natao tany Côte d’Ivoire farany teo.
Hanampy ny Me Bebeto izay efa mpikarakara ny herim-batan’ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar izany izy amin’ity indray mitoraka ity. Olona efa niara-niasa akaiky tamin’i Gilles, mpanazatra mpanampy ny Me Rôrô, i Thomas Gornouec. Inoana fa mifameno tsara ny zavatra homen’izy sy i Bebeto amin’ity. Tsy fantatra kosa nefa ny fifanarahana aminy na amin’ity lalao hifandonana amin’i Gambie ity ihany na hitohy amin’ireo lalao hafa.
Ankoatra izay, efa tonga any Maroc avokoa ny ankamaroan’ireo mpilalaon’ny Barea. Araka ny fampitam-baovao, nigadona omaly, tany an-toerana, i Johan N’Zi, Raveloson Rayan, Louis Demoleon, Millimono, Marco Ilahimaharitra, Loïc Lapoussin ary i Tremoulet. Ho feno tanteraka kosa ny ekipa manomboka anio.
Mandra-piandry izany, efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny Barea de Madagascar ka nanombohana ny kotrana ny famerenana ny tanjaka ara-batana ary efa hiditra amin’ny fametrahana ny paikady, anio.
Marihina fa efa any Maroc koa ny Scorpions de Gambie amin’izao fotoana izao, ary efa ao anatin’ny fanomanana ihany koa ry zareo.
Tompondaka