Araka ny vaovao voaray omaly, nitambatra ho iray amin’ity taom-pilalaovana manaraka ity, ny AS Avenir du Sud Anosy, tompondakan’ny diviziona faharoa nasionaly «World Cola Ligue des Champions D2 Nationale» sy ny AS St Anne, solontenan’Analamanga tamin’ny fifanintsanam-pirenena, «D2 Nasionaly» farany teo.
Raha ny fanazavana azo, lasa hoe AS Avenir St Anne ny anaran’ny ekipan’izy ireo, mandritra ny fifaninanam-pirenena rehetra izay hatrehiny. Manana tanjona goavana ity klioba roa vao mitambatra ity, ny ho tompondaka amin’ireo fifanintsanana misy eto Madagasikara. Anisan’izany ny “Pureplay Football League (PFL)” sy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe”.
Nilaza ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny AS Avenir Ste Anne fa mety handray anjara amin’ny “Grand Tournoi Antananarivo” izy ireo mba ho fanomanana sahady ny taom-pilalaovana ho avy io. Tsara ny mampahatsiahy fa ankoatra ity ekipa iray ity, tafita ao amin’ny PFL ihany koa ny FC Theo Sava.
Fitia Randria