Nanao fanentanana sy fanabeazana ara-pananahana ho an’ny zatovovavy mpianatra eo anivon’ny CEG Talamaty ny Wednesday Morning Group (WMG), omaly. Efa tafiditra ao anatin’ ny taona maha zatovo sy efa misy tonga fotoana ny ankamaroan’ny zatovovavy rehetra eny anivon’ny CEG, raha ny zava-misy. Amin’ny ankapobeny, mbola fady ary tsy azo resahina ny resaka ara-pananahana eto amin’ny firenena. “Fianarana no lova tsara indrindra, ampianarina hahalala ny fiovana misy eo amin’ny vatany sy hahafahany mitandrina tsy hiroso aloha loatra amin’ny firaisana ara-nofo ary hahafantatra ny voka-dratsin’izany eo amin’ny fiainany ireo ankizivavy”, io ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fikambanana nandritra ny fanentanana. “Anisan’ny nangatahin’ny sekoly mandritra ny fizarana serviette hygiénique azo sasana ny fanentanana tahaka izao, ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy i Fiona Tsiranana, filohan’ny fikambanana WMG.
Nizara serviette hygiénique azo sasana 513
Ankoatra izay, nizarana serviette hygiénique azo sasana avokoa ireo zatovovavy rehetra mpianatra eo anivon’ity sekoly ity. Nahatratra 513 eo izany. Ezahina ny hanao ny hetsika manerana ireo CEG rehetra eto Antananarivo amin’ ity taona ity. Ankoatra izay, nisitraka fanentanana mahakasika ny fanabeazana olom-pirenena ihany koa ny mpianatra eo anivon’ny EPP Imerinafovoany. Notolorana boky momba izany avy ireo sekoly anankiroa nanaovana hetsika ireo.
Mino