Tanora 21 mianadahy no nandray anjara tamin’ny fifaninanana adisisika fanentanana momba ny maha zava-dehibe ny fanabeazana ara-pananahana feno any an-tsekoly, izay notontosaina ny 12 aogositra hatramin’ny 15 septambra lasa teo. Nikarakara ny hetsika ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny fahasalamana sy zo hisitraka fananahana ara-pahasalamana, ho fanamarihina ny Andro natokana ho an’ny fandrindram-piterahana, ny 26 septambra lasa teo. Natokana ho an’ny ankizy sy tanora 15 ka hatramin’ny 24 taona ny fifaninanana ary nampisongadina tanora roa. Fepetra notakina ny famolavolana hafatra mafonja, fohy, momba ny tombontsoa amin’ny fanabeazana ara-pananahana feno any an-tsekoly ary sary mitazona fimailo. Nitaky fahasahiana ho an’ny mpandray anjara ny fakana ny sary.
Efa anaty fikambanana misahana fanentanana momba ny fanabeazana ara-pananahana Rasolonjanahary Steven, iray tamin’ireo nivoaka ho tompondaka. Ilaina ny fanentanana ny tanora mitovy aminy satria tsy voafehy intsony izy ireo amin’ny firaisana ara-nofo ka mila ampahafantarina ny fiarovana mahomby. Tsy mahay mandanjalanja ny tsara sy ny ratsy koa matetika fa tia maka tahaka. Noho izany, ilaina aminy ny famerenana ny fanabeazana ara-pananahana feno any an-tsekoly.
Ho an’i Vololontsolofo Tiavina indray, tany am-pianarana no nahazoana fanabeazana ara-pananahana betsaka noho ny tao an-trano. Satria, mavesatra ho an’ny ray aman-dreny ny fampianarana momba ny fananahana ara-pahasalamana. Izy mianadahy no naharesy lahatra ny mpitsara tamin’ny hafatra sy ny sary nifaninana ary notolorana loka, ny faran’ny herinandro teo.
Vonjy