Nanazava tamin’ny mpanao gazety ny momba ny resabe tato ho ato ireo mpitarika ny vovonana Firaisankina, teny Faravohitra, omaly. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa ny Firaisankina no tena mpanohitra eto aminy firenena. “Tsy vaky ny vovonana fa iray ihany”, hoy izy ireo, tamin’izany. Teo avokoa ireo mpitarika 5 mirahalahy mianaka.
Kivy sy nalahelo ny depiote “Del kely” amin’ ny fihetsiky ny Pro-Siteny eo anivon’ny fanoherana. Nilaza ny tenany fa hanao fanambarana amin’ny herinandro ambony raha tsy misy fandraisana andraikitra. “Tena tsy mora ny asan’ny fanoherana kanefa misy mitaingim-bozona ary mitady hahazo rariny fotsiny ao anatiny. Tsy azo atao ny mangina”, hoy izy.
Niara-nidinika tamin’ny Sendikan’ny mpirakidraharaha (SGM) ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin, omaly, teny Faravohitra. Anisan’ny nodinihina ny momba ireo fangatahana naroson’ity sendikà ity. Naneho fahavononana ny hifanolo-tanana amin’izy ireo ny minisitra. Nanome toromarika ho fanatsarana ny asa koa ny minisitra.
Hanangan-tsaina isaky ny alatsinainy voalohan’ny volana ny depiote sy ny mpiasan’ny Antenimiera. Natomboka omaly izany ka nisolo tena ny filoha Tokely Justin ny filoha lefitra, Andriamananoro Augustin. Nambarany fa hanaovana ireo tatitry ny asa vita sy ny fampitana ireo fandaharanasa fohy ezaka ny fanangan-tsaina tahaka izao.