«Festival des livres Thrillers» : miditra amin’ny andiany fahatelo

Hotanterahina ny 26 hatramin’ny 31 oktobra 2024, eny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny «Festival des livres Thrillers», andiany fahatelo. Hetsika karakarain’ny avy eo anivon’ny AFT Andavamamba, hanomezana sehatra ny haikanto samihafa, sokajy mampatahotra. Hita ao anatin’izany ny boky, horonan­tsary, sary isan-karazany ary tantara araka ny karazany avy. Ankoatra ireo, hisy ihany koa ny fampirantiana sy fifaninanana ary fihaonana amin’ireo mpahay kanto miangaly izany karazana zavakanto mampatahotra izany
Ho ambohi-pihaonan’ny zavakanto sokajy mampitaintaina indray ny eny amin’ny AFT. Hetsika efa fanaon’ny any ivelany any izy ity, ary vao manomboka mahazo toerana raha ny eto Madagasikara. Mitombo ny mpanaraka ny hetsika sy ny mpandray anjara, raha ny andiany roa teo aloha no asian-teny. Ny tantara an-tsehatra sy ny fihaonana amin’ny mpanakanto miangaly ireny karazana haisoratra ireny no tena mahaliana ny mpanaraka ny hetsika. Miezaka hatrany kosa ny mpikarakara mitondra zava-baovao entina mampiavaka ny andiany tsirairay.

Lin

Partager sur: