Fifidianana ben’ny Tanàna : hanohana an-dRazafinjoelina Tahina ny MMM

Nivoaka amin’ny fahanginany. Nanao fanambarana ny eo anivon’ny birao politikan’ny antoko Malagasy miara-miainga (MMM), omaly, tetsy amin’ ny foiben’ny antoko, Anke­ra­na. Nambaran’izy ireo tamin’ izany fa hanohana ny kandidà ben’ny Tanàna eto Anta­na­na­rivo Renivohitra, Razafin­jo­e­lina Tahina, avy amin’ny Tia tanindrazana, izy ireo.
Nitondra ny teny tamin’izany ny filoha nasionalin’ny an­toko, Andrianainarivelo Hajo. Nanteriny fa mila rivo-baovao Antananarivo. “Manana vi­nam-pia­rahamonina hampandrosoana ity tanàna ity Raza­finj­oelina Tahina, amin’izao hiatrehina ny fifidianana ben’ ny Tanàna ny 11 desambra izao”, hoy izy.
Nanteriny fa itovian’ny MMM aminy koa ny lalan-tsaina amin’ny fitantanana an’ Antananarivo Renivohitra. Tahaka izany koa ny fanohanan’ny MMM ny firotsahan’ny kandidà, ny depiote Ratsiraka Roland, hofidina ho ben’ny Tanàna ao Toamasina I. “Manohana feno ary hampandany azy koa izahay ato amin’ny antoko Malagasy miara-miainga”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ireo nivondrona teo anivon’ny Von­dron’ny kandidà “C11”, tamin’ ny fifidianana filoham-pirenena farany teo avokoa izy ireo ary nanangana ny “Kolektifa ho an’ny Malagasy” taty aoriana. Izao nitohy amin’ny fifanohanana amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna izao indray.
Manana kandidà amin’ny anarany manokana, amin’ireo kaominina maromaro manerana ny Nosy, ny eo anivon’ny MMM, ankoatra ny fanohanan’izy ireo ireto kandidà roa ireto.

Synèse R.

Partager sur: