Nitondra ny heviny amin’izao hiatrehina ny fifidianana eny anivon’ny kaominina izao ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Nambaran’izy ireo fa ilaina ny fanovana manomboka izao.
“Raha tiantsika ny hanana fifidianana tena demokratika, anjakan’ny fahalalahan’ny rehetra na mpirotsa-kofidina na ny mpifidy: tsy maintsy manova ny fomba fanaovana fifidianana isika”. Izay ny fanambaran’ ny filoha nasionalin’ny KMF/ Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, tamin’ny mpanao gazety teny Antanimena, omaly. Tsy maninona, raha ilaina ny fikitihana ny Lalàmpanorenana. Mba hanana rafitra sy fomba fanaovana fifidianana manaja ny maha Malagasy izany, manaja ny fahafahan’ny rehetra sy ny zon’ny olombelona ary ny fitiavan-tanindrazana ao amin’ny mpanao politika. Raha tsy misy ny finiavana hanatsarana an’izay rafitra sy fomba izay, ny eo ihany no eo.
Diso mahazo toerana be loatra amin’ny fikarakarana fifidianana ny fahefana mpanatanteraka eto Madagasikara. Marina fa misy ny Ceni, fa mbola ny governemanta no manapaka ny androm-pifidianana, ny antontan-taratasy takina, ny anto-bola… Ny governemanta koa no manova izany, araka izay itiavany azy. Tsy mbola angady mahatapaka ahitra ny Ceni, fa mbola manana fahefana be ny governemanta. Raha miteny governemanta, miteny ny antoko politika eo anivon’ny fitondrana. Miankina amin’ny zava-misy iainany ny fanapahan-kevitra.
Sahiran-tsaina ny mpifidy…
Lasa tsy mipetraka mazava ny lalàna: ilaina ny taratasy fanamarinana ny fizakana zom-pirenena, ohatra; avy eo, tsy ilaina indray. Tsy voadinika tany am-boalohany ve ny dingana amin’izany? Misy any ambanivohitra lavitra ny mirotsaka ho ben’ny Tanàna. Ny tena manahirana ny KMF/ Cnoe amin’izao dia ny fahavitrihan’ny mpifidy, lasa sahiran-tsaina. Mirona kokoa any amin’ ny hoe tsy maninona raha tsy mpifidy izany. Hanao ahoana ny maha ara-drariny ny olom-boafidy eo amin’izany?
R. Nd.