Faritra anisan’ny tena ahitana ala kininina ny distrika Manjakandriana. Toerana mpamokatra saribao, mamatsy ny aty an-dRenivohitra. Nahazo fiofanana ny mpamokatra, ka nomena mari-piofanana, ny volana septambra teo. Miisa 86 izy ireo, avy any amin’ny kaominina miisa 11, nomena fiofanana ara-teknika nohatsaraina amin’ny fomba fanamboarana saribao (Tac). Tanjona ny hitandroana ny tontolo iainana, hampihenana ny fandaniana hazo amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fampiasana teknika manara-penitra. Ao anatin’izany ny fitantanana maharitra ny ala.
Nanohana ity hetsika ity ny tetikasa Diabe, ao anatin’ny fandaharanasa Afafi Afovoany.
Nanatrika ny fanolorana ny mari-piofanana ny talen’ny Birao manohana ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany, ny sefo distrika, ny lehiben’ny tetikasa Diabe ary ireo ben’ny Tanàna miisa 11.
Njaka A.