Namono vady: lehilahy sarona tanaty fampisehoana

Nampihoron-koditra! Izay no azo ilazana ny fihetsika feno habibiana nataon’ny raim-pianakaviana iray tamim-badiny tao amin’ny fokontany Lanonana, kaominina ambanivohitr’i Fanasana, ny 5 oktobra 2024 teo. Rovitra ny tarehiny, nipoitra hatramin’ny taolan-tongony mihitsy. Disadisa niainga avy amin’ny adina mpivady no niantombohan’ny olana ka niafara tamin’izao vono sy ratra niniana natao izao. Nalefa namonjy hopitaly ao Moramanga ilay renim-pianakaviana novonoim-badiny. Lasa nitsoaka kosa ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny zandary ka fantatra taorian’izay ny toerana nieren’ity rangahy nandrtra ny vadiny ity. Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Anivorano Atsinanana teo am-pijerena fampisehoana nataon’ny mpanakanto Lico Kininike, ny alahady teo izy. Niaiky izy fa nisy disadisa tokoa teo amin’izy mivady ka anton’izao herisetra nataony izao. Efa imbetsaka izy no nanao herisetra toy izao satria efa nandoro ny tranon-drafozany ihany koa izy. Ny rainy niteraka azy rahateo koa efa velon-taraina fa tena maditra tsy laitra hanarina intsony ity lehilahy namono vady ity. Mitohy ny famotorana azy eo anivon’ny zandary.

Jean Claude

Partager sur: