Ordre des architectes (OAM): Tsy manana fahazoan-dalana ny 80% ny fanorenana trano

Mikorontana ny ankabeazan’ny fanorenana trano eto Madagasikara noho ny tsy fanatonana ireo matihanina amin’ny maritrano. Miantoka ny kalitaon’ ny fananganana trano izy ireny sy mampanara-penitra ny fotodrafitrasa miorina.

«Tsy manara-penitra ny ankabeazan’ny fanorenana trano eto amintsika. Tsy manana fahazoan-dalana koa ny 80% amin’izany », hoy ny filohan’ny Holafitry ny matihanina amin’ny maritrano eto Madagasikara (OAM), Rahoeliarivahy Fara, omaly, nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Architecture, tetsy Analakely. Midika izany, hoy izy, fa tsy nisy ny mpahay maritrano (architecte) nanao ny fanorenana, antony mahatonga ny tanànantsika mikorontana.
Ilaina matihanina ny fanorenana mihoatra ny 150m2. Izany hoe, tokony hanatona azy ireny ny mpanorina hanoro hevitra azy. Misy tokoa ny fanorenana mitaky ny fankatoavan’ireo mpahay maritrano mialoha ny fananganana ny fotodrafitrasa. Andraikiny voalohany ny miaro ny fenitra takin’ny tompon-trano hisorohana ny fandaniana mihoa-pampana sy hahazoana vokatra tsara.

Fiaraha-mientana
Tokony hisy ny politikam-panjakana manaraka ny holafitry ny matihanina amin’ny maritrano eto Madagasikara mba hanatsarana ny fanorenana eto amintsika. “Vitsy mpahafantatra ny andraikiny saingy manan-danja ny asan’izy ireny eo amin’ny sehatry ny fananganan-trano. Mamakafaka sy mandalina ny tetikasa ireo matihanina mba hananana fotodrafitrasa manaraka ny fitsipika, ny kalitao, manaja ny tontolo iainana sy ny manodidina, manara-penitra raha toa manatanteraka sy manao ny kajy rehetra mahakasika izany ny andraikitr’ireo injeniera”, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Marihina fa tsy mbola misy ny sekoly ambony mamolavola matihanina amin’ny maritrano eto amintsika saingy misy kosa ireo mampanao fiofanana momba izany. Antony indrindra nanaovana ny lohahevitry ny fankalazana omaly ny “Archit­ecture-Vakoka ary ny fitaizana”. Tanjon’ny OAM ny hanampiana ireo tanora hitady asa sy hahafahan’ny holafitra manatanteraka ny asany.

Henintsoa Hani

Partager sur: