Afapo tamin’ny ezaka vitany tao anatin’ny iray volana ny filohan’ny delegasiona manokan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala.
Nitatitra ny zava-bitany tao anatin’ny iray volana nitantanany an’Antananarivo Renivohitra ny PDS Ramanantsoa Harilala, omaly, tetsy Analakely. Nambarany fa fohy ny fotoana nefa nanao ny ezaka rehetra ny tenany. Notanisainy tamin’izany ny vahaolana narosony nandaminana ny fifamoivoizana. Ny naneken’ny mpivarotra ny fandaminana. “Voaelingelina ny fivelomanareo nefa tsy maintsy manaiky ny fanatsarana isika ho tombontsoan’ny tanàna”, hoy izy. Efa manomboka koa ny fanarenana ny lalana ka kendrena ho vita mialoha ny orana. Niaiky ny tenany fa tsy ho vitan’ny CUA samirery ny asa goavana tahaka izany ka nisaorany ny fanjakana nanampy. Nohatsaraina ireo toby fiantsonan’ny taxi-be ka nentaniny ny hanajana izany sy ny Arrêt. Vahaolana amin’ ny tsy fandriampahalemana ny nametrahana ireo Cameras mifameno amin’ny fanaraha-maso ataon’ny zandary sy ny polisy. Nambarany koa fa nahazo jiro, Cobra, miisa 300 ny boriborintany II.
Momba ny fako kosa, nambarany fa efa tsy mivangongo be intsony izany noho ny fandrindrana ny hoenti-manana. Noezahina naloa ara-potoana rahateo ny karaman’ireo mpiasa. Hitohy ny fanadiovana ireo lakandrano hiatrehana ny fotoan’ny orana.
Nanteriny koa fa nanomboka ny fampihenana ny hetra mba hahafahan’ny mponina manefa izany ho loharanom-bolan’ny CUA.
Eo amin’ny lafiny politika, nambarany fa olon’ny fisokafana ny tenany ka tsy mandà ny antso ho amin’ny fiaraha-miasa. “Nekeko ny hahakandidàn’ny Irmar noho ny fahavononana itoviana ho amin’ny fampandrosoana ny tanàna”, hoy izy.
Synèse R.