Tontosa tao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ Analamanga, taranja Taekwondo WT (TKD WT). Araka ny nambaran-dRanjavololona Julie Claudette, filohan’ny ligin’Analamanga, nasiana ny fifanintsanana eo amin’ny fihetsika mirindra Poomsae, mba hampiavaka ny hetsika. Nahatratra 83 ireo mpikatroka nandray anjara tamin’izany.
Tanjona tamin’ity hetsika ity ny hampisondrotana ny haavo teknikan’ireo Malagasy mpilalao taekwondo sy ny fanomezana sehatra ho an’ ireo zandry. Ankoatra ny Poomsae, nisy ihany koa ny fifanandrinana amin’ny ady Kyorugi.
Nisongadina tamin’ity fifanintsanana rejionaly ity ny klioban’ny Dynamic, avy amin’ny seksiona Antananarivo Renivohitra. Nandrombaka medaly volamena miisa 16 izy ireo.
“Aorian’ity lalao ity, hiomana amin’ny fifanintsanana nasionaly avy hatrany ireo mpikatroka efatra isaky ny sokajy, izay hisolo tena ny ligin’Analamanga.» Hoy ny filohan’ny ligin’Analamanga.
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa hatao any Mahajanga, manomboka ny 31 oktobra hatramin’ny 1 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara raha tsy misy ny fiovana.
Fitia Randria