Eny amin’ny Ivokolo Analakely indray ny ambohi-pihaonan’ny mpankafy Jazz, anio, ao anatin’ny «Festival Madajazzcar» andiany faha-35. Sanda Ranaivosoa Quartet no hanafana ny sehatra mandritra ity hetsika ity. Izy izay anisan’ireo nivoaka tamin’ny fampiofanana Madajazzcar.
Nahavita ny fifaninanana hamaritana ny
solotenany, hiatrika ny “Slam National XV” (SN XV), atao eto Antananarivo sy Antsirabe, ny 28 novambra 2024 hatramin’ny 7 desambra 2024, ny avy ao Mahajanga sy Fianarantsoa ary Antsirabe. Marihina fa hisy ny fifaninanana ho an’olon-tokana ary hisy ny ho an’ny isan-tanàna, mandritra ity “SN XV ity”.
Nandray anjara tamin’ny fampirantiana
fahatsiarovana an’i Dany Be ireo mpanao gazety zokiolona, sahala amin’i James Ramaroson sy Moks Razafindramiandra, izay niara-niasa taminy fony fahavelony. Teny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny faran’ny herinandro teo, no nanaovan’izy ireo velakevitra nizarana ny maha izy ity mpaka sary pika matihanina ity.
Ny volana novambra izao, i Tsiriniaina Irimboangy Hajatiana, mpandresin’ny fifaninanana “Prix Paritana”, andiany fahavalo, no hihazo ny Cité internationale des arts any Paris, hiatrika fampiofanana amin’ny fanatanterahana ny tetikasany. Ny volana desambra kosa izy no hanomboka handranty ny haikanto any an-toerana, raha ny volana marsa 2025 kosa no hanaovany izany fampirantiana izany eto Madagasikara.