Ampiharin’ny mponina any Atsimo ny fomba fambolena agroekolojika. Tanjona ny ahafahana miatrika ny haintany sy ny tsy fanjarian-tsakafo.
Teknikam-pambolena vaovao mahazaka ny haintany ny agroekolojia. Fambolena amina velarantany 10 ha farafahakeliny. Manodidina ny 2 hatramin’ny 3 taona ny fahavelomany, ka azon’ny mponina atao sakafo ny vokatra ary atao kitay ny tahony satria tsy misy hazo any amin’iny faritra iny. Miaro ny voly hafa amin’ny tso-drivotra maina ihany koa. Afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro, tsy mila rano betsaka, nefa mamerina ny tsiron’ny tany, mitazona ny ranonorana, azo atao sakafon’ny biby fiompy, sns. Santionany amin’izany karazana zavamaniry izany ny bajiry (mil), ny ampemba (sorgho), ny ambatry (pois d’angole), ny konoke.
Miisa 17 ny fikambanana tantsaha, ahitana mpikambana 410, notohanana hamokatra masomboly. Mahatratra 4 400 ha ny velarantany voavoly natao agroekolojika, tokantrano maherin’ny 4 000 any Anosy sy Androy no misitraka izany, ka 1 000 ha farafahakeliny.
Hanaparitaka ny teknika
Miisa 100 ny tantsaha nahazo fiofanana manokana, hanohy sy hanaparitaka ity teknikam-pambolena ity. Nisy trano fitahirizana kojakojam-pamokarana miisa 80 natsangana. Miisa 13 ny vondrona mpiompy, ahitana mpikambana 300 nahazo tantsoroka. Eo koa ny ivontoerana miisa 8, fandraisana ny reny sy ny zaza, tantanin’ny fikambanam-behivavy. Raha aravona, mahatratra 30 000 ny mponina voakasiky ny tetikasa.
Maro ny mpiara-miombon’antoka nanatanteraka ity fandaharanasa vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola ity. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Afafi Atsimo. Mifarimbona manatanteraka izany ny Gret, ny ONG Foibe ara-teknika ny agroelokijia any Atsimo (CTAS), ny AVSF, ny Cirad, ny Fofifa, ny Cenraderu, sns.
Njaka Andriantefiarinesy