Saron’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andohanilakaka, omaly, ireo andian’olona niaraka tamin’ny rongony 40 gony. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, nandeha an-tongotra ho any Ilakaka izy ireto kanjo nifanehatra tampoka tamin’ny zandary. Nampiahiahy ny zandary ny fihetsik’izy ireo somary hafahafa ka nirosoana ny fisavana karapanondro. Nitohy ny fanadihadiana ireto andian’olona ireto ka tao anatin’izany no nilazan’izy ireo fa avy any amina kariera ireto zava-mahadomelina ireto. Rehefa nanontaniana tsirairay izy ireo dia nisy iray nibaradaka nilaza fa avy any Andriry, distrikan’i Betroka, no nitondrany ireto rongony marobe tamin’ny gony ireto. Nafenin’izy ireo tao amin’ny toerana antsoina hoe Analamanga, tsy lavitra ny kaominina Andohanilakaka ny entana. Niroso tamin’ny fisavana ny zandary ka voamarina tokoa fa tena rongony no nentina tamin’ireo gony ireo.
CMS