Eo ny vahoaka hitsara

 

Nivoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandidà. Miroso ny fifidianana kaominaly: manakaiky vahoaka, miantoka ny fampandrosoana ifotony… Mby aiza? Na mba tena izay no mampihazakazaka… Laingalainga, tsy ilaozan’izay misy mahabe resaka etsy sy eroa. Nahoana? Politika no tena manetsika sy manesika ny sasany, fa tsy izay fampandrosoana loatra. Mbola ho azo amin’izany ny vahoaka? Eo no raharaha… Atao avokoa izay paipaika sy kajikajy rehetra hahazoana fandresena. Misy tonga amin’ny fanararaotana ny fahantram-bahoaka, na izay mety ho tsy fahalalany, sanatria. Lasa famitahana sy fanambakana ny fifidianana, fa tsy fifanarahana amin’ny fampindramana fahefana.
Tsy foto-kevitra sy vina ary fandaharanasa hifanarahana, ohatra, no handresen’ny sasany lahatra ny mpifidy, fa fanaratsiana mpifanandrina, fandranitana adilahy politika, fanakiviana amin’izay hitranga raha tsy izy na ny olony no ho voafidy… Miara-dalana ho azy amin’izany ny karazana fanambatambazana. Tsy inona fa kolikolim-pifidianana tsotra izao. Tsy mbola mety ho afa-bela amin’izany ny an­kamaroan’ny mpanao politika? Tsy mandeha ila izay, fa eo koa ny vahoaka taman-dratsy na za-dratsy: tsy mety raha tsy mahazo fanampiana kely. Fitaka be vava? Mila samy mandini-tena, manapa-kevitra, manova famindra…
Tsy tena sahy sy mahavita manazava ny toe-draharaha misy sy iaianana no tena manampy vahoaka: fifidianana inona no hatao, izay mampiavaka azy… ? Miara-dalana amin’izany ny hoe foto-kevitra sy vina ary fandaharanasa ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina. Tsy latsak’ izany ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka. Iza, hono, rey olona, ny mpirotsa-kofidina na antoko na vondrona poli­tika tena hanao izany? Tsy hitondra ny vahoaka hifidy an-jambany… Eo ny vahoaka handinika, hitsara, hisafidy…

R. Nd.

Partager sur: