Vita ny fananganana ny efitrano fianarana vaovao eo anivon’ny EPP Maibahoaka, kaominina Talatamaty. « Sekoly faha-25 notohanan’ny fondation Viséo ny eny Maibahoaka ary nanome vola ampahany namitana ny asa koa ny Groupe Enac, miorina sy miasa eny Talatamaty, nampiseho fahavononana hanampy ny mpiara-belona », hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny fondation Viséo, Ralaiarizaka Magali, omaly, teny an-toerana. « Vokatry ny fahazoana efitrano enina fanampiny, mitombo ho 1 000 ny mpianatra azo raisina ao amin’io sekoly io », hoy ny sefo Cisco Ambohidratrimo, Rakotondrabe Andrianiaina Patrick. « Teo aloha, mitete ny tafon-trano ary ny dabilio atahorana hirodana ka sahirana ny mpianatra. Hanova zavatra betsaka ny fahavitan’ny fotodrafitrasa vaovao. Nanolotra ny latabatra sy ny seza vaovao hampiasaina ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena », hoy ny talen’ny EPP Maibahoaka, Rajaonarison Maminiaina,
Mbola hanohy ny asa eo anivon’ny EPP hatrany ny fondation Viséo satria manana efitrano hafa mila havaozina izy ireo. Nitondra boky vaovao hapetraka ao amin’ny trano famakiam-boky ny ONG trait d’union France-Madagascar. Boky sahaza ny taonan’ny mpianatra amin’ny EPP no natolotra, niarahana tamin’ny filoha lefitry ny ONG, Philippe Murcia.
Tanjon’ny fondation Viséo, izay naorian’ny Moustafa Hiridjee, ny hanohana ny fametrahana fotodrafitrasa ilain’ny ankizy eny amin’ny toerana be olona marefo.
Vonjy