Fambara fahaketrahana : mila omen-danja ny fahasalaman’ ny saina any am-piasana

Fotoana hanomezan-danja ny fahasalaman’ny saina eny anivon’ny toeram-piasana ny lohahevitra hanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana amin’ity taona ity, manomboka rahampitso ary haharitra hateloana, eto Antananarivo.

Misy fambara fanairana tsy voatery miseho ety ivelany tokony hanaitra ny fianakaviana na ny manodidina fa mety tratran’ny fahaketrahana ara-tsaina ny olona iray ao anatin’ny asany. Zavatra tsy misaraka amin’ny olombelona ny fahaketrahana ara-tsaina (stress) ary ilaina izy. «Rehefa be loatra sy mavesatra ilay fahaketrahana ara-tsaina ka misy fiantraikany amin’ny fiainan’ilay olona hisehoany, mila fanampiana sy tohana avy amin’ny mpisehatra manokana izy», hoy ny manampahaizana manokana amin’ny fahasalaman’ny saina sy ny tohana psycho-social, Rakotondrazanany Stacy, omaly, teny Ambohidahy. Fisehoana voalohany ny fikorontanan’ny (tsy ampy ora valo na be loatra) torimaso, miteny irery na koa mihomehy irery miverimberina matetika, miova ny fihetsika, miova ny vokatra eny anivon’ny asa, tsy mahakarakara tena intsony ilay olona, eo koa ny fieritreretana hamono tena… Ireo fisehoana ireo dia mety nateraky ny fahazoana asa be loatra noho ny mahazatra eo amin’ilay mpiasa, tsy fifankahazoana amin’ny mpiara-miasa na ny lehibeny, eo koa ny tsy fisian’ny andraikitra omena azy ka mitarika ilay mpiasa halaina hamonjy ny asany isan’andro. Rehefa tsy misy fanohanana avy amin’ny mpisehatra ilay mpiasa, mety hiteraka olana ara-pahasalamana eo amin’ny vatany izany: fiakaran’ny tosidra, marary matetika, miteraka toe-tena diabetika sokajy faharoa… Hatramin’ny fahasahiranana amin’ny fitadidiana sy ny fifantohana amin’ny zava-drehetra atao aza, araka ny fanazavany ihany.
Olana eto amintsika, mihamaro ny olona hisehoan’ny fahaketrahana mavesatra ara-tsaina nefa 24 monja ny psychiatre misahana ny Malagasy 30 tapitrisa. Lafo rahateo ny fanafody ary indraindray tsy misy eto Madagasikara ka sahirana ireo mpitsabo ny fahasalaman’ny saina. Tsy ampy rahateo ny fiofanana azon’ny mpisehatra mandray an-tanana ireo olona manana olana ara-tsaina.

Vonjy

Partager sur: