Tonga nitsidika ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah, ny alatsinainy lasa teo, tetsy amin’ny biraony, Ambohijatovo, ny masoivohon’i Allemagne miasa eto Madagasikara, Oliver Knoerich. Nifampiresaka mahakasika ny fampivoarana ny fanatanjahantena sy ny tanora izy ireo tamin’izany. Nisy ny vina izay napetraka ka anisany ny hisian’ny vatsim-pianarana ho an’ ireo mpanazatra amin’ny taranja lomano, isan-taona, any Allemagne.
Ankoatra izay, noresahina tao ihany koa ny mahakasika ny atleta ka hoezahina ny hampidirana azy ireo amin’ny ivontoeram-piofanana any amin’ity firenena ity. “Tanjon’ity tetikasa ity ny hananana Malagasy mpilalao mifanintsana amin’ireny Bundesliga ireny aoriana», hoy ny minisitra MJS. Azo lazaina, araka izany, fa manomboka mitady vahaolana mahakasika ny fanatanjahantena eto Madagasikara ny minisitra. Raha tsiahivina dia efa maro ny masiovoho noraisiny, anisan’izany ny an’i Japon, izay nanome fitaovana ho an’ny Federasiona malagasin’ny judo.
F.R