Nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy
parlemanta ny fihaonan’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Andriamananoro Augustin, sy ny delegasion’ny tale lefitra misahana an’i Afrika “Australe” sy ny minisiteran’i Eoropa miaraka amin’ny ranomasimbe Indianina ary ny masoivohon’i Frantsa, i Alexandre Olmedo, omaly, teny Tsimbazaza. Niaraha-nijery ny ho avin’ny Frankofonia.
Nahitsy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, amin’izao olan’ ny rano sy jiro izao. “Mariky ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra izany. Tsy nanana vina mijery lavitra ny fitondrana na efa fantatra aza ny olana samihafa teto hatramin’izay”, hoy izy.
Namoaka naoty ny eo anivon’ny Ceni fa manan-jo hisoratra anatin’ny lisi-pifidianana ireo tsy tafiditra. Manao fangatahana “Certificat de non-inscription dans la liste électorale” eny amin’ny CED ary mangataka didy hitsivolana eny amin’ny fitsarana mba hahafahana manoratra ny anaran’ilay olona.
Notanterahina teny Faravohitra, afakomaly, ny fihaonana sy fiaraha-midinika tamin’ny minisitry Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, sy ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha fitsarana eto Madagasikara (SGM). Tao anatin’izany no nanehoan’ny avy eo anivon’ ny minisitera ny fahavononany hifanolo-tanana amin’ny fijerena ireo olana misy eo amin’ny mpirakidraharaha.