INDRAY MIJERY

Olona mifefitena no anarana akademika fiantsoana ny olona manana toe-tena autiste, araka ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana Autisme federation Madagascar izay ivondronan’ny fikambanana 10 misehatra amin’ny fanabeazana ireo ankizy mifefitena eto amintsika. Efa miasa amin’ny faritra dimy ny Vovonana amin’izao fotoana.
Nandray ny mpikambana ao amin’ny biraon’ny sendikàn’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny minisitra mpiahy. Lahadinika maromaro no naroson’izy ireo ary nanamafy ny minisitra fa hijery ny fomba hamahana ny olana miaraka amin’ny tomponandraikitra eo amin’ny minisitera araka ny laharam-pahamehana
Efa mivoaka ny tetiandron’ny fizarana vola fisotroan-dronono ho an’ny volana oktobra, ho an’ny faritra Analamanga. Hanomboka rahampitso izany ho an’ny eny amin’ny pérception principale sy ny trésoreries principales ary ny trésoreries principales intercommunale.
Aorian’ny tetiandro kosa dia afaka alaina amin’ny fotoana rehetra ny vola.
Niverina niakatra indray ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto an-dRenivohitra raha oharina ny tamin’ny faran’ny herinandro, io ny tatitry ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Avo roa na telo heny amin’ny fetran’ny OMS avokoa ny refy voaray tamin’ireo fitaovam-pandrefesana.

Partager sur: