« Jazz à l’Université »: hotsarona manokana ny Pr Serge Henri Rodin

Tanterahina, anio, eny amin’ny Oniversite Ankatso, ny « Jazz à l’Université ». Fampisehoana jazz, tafiditra ao anatin’ ny “Festival Madajazzcar”, andiany faha-35. Hetsika natao hanomezam-boninahitra ny Profesora Serge Henri Rodin, izay anisan’ny mpikambana tao anatin’ny komity mpikarakara ny “Festival Madajazzcar”, sy namorona ny Centre de ressources des arts actuels de Madagascar (CRAAM) fahavelony. Mpanakanto sy tarika miangaly ny gadona jazz miisa dimy no hanafana ny sehatra mandritra ny fampisehoana.
Anisan’ny hetsika manana ny maha izy azy ao anatin’ny “Festival Madajazzcar”, ny « Jazz à l’Université » hatramin’ izay. Hifampizara sehatra mandritra izany Vazo Lee & A NO Name, Kabôsyspirit, AF JAZZ, Korb ary Tôfy. Ankoatra izay, misokatra ho an’ny rehetra ny sehatra, indrindra amin’ny maha hetsika fahatsiarovana sy fanomezam-boninahitra azy. Maimaimpoana ny fampisehoana.

Lin

Partager sur: