Karama farany ambany : mbola maro ny mpiasa tsy misitraka

Nandritra ny fidinana teny anivon’ny orinasa maromaro nataon’ireo mpanara-maso ny asa, ao amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana no nahafantarana fa maro ireo lehiben’orinasa tsy mampihatra akory ilay karama farany ambany tokony hositrahin’ny mpiasa.
Tsy sahy manao fitakiana na miandry ny rariny ireo mpiasa ka manaiky ny karama vary masaka satria sarotra ny mahita asa amin’izao fotoana.
Ho fampiharana ny didim-panjakana laharana faha-2024-794, tamin’ny 16 avrily 2024, mahakasika ny karama farany ambany isaky ny sokajin’asa ho an’ny orinasa tsy miankina no anton’ny fitsirihana tampoka tsy maintsy natao, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny minisitera.
Narahi-maso akaiky nandritra ny fitsirihana nataon’ny ekipan’ny minisitera ihany koa ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa. Tafiditra ao anatin’izany ny fampidirana ny mpiasa eny amin’ny CNaPS sy ny sampandraharaha misahana ny fitsaboana ho an’ireo mpiasan’ny orinasa.
Zo fototra tokony hositrahin’ny mpiasa izany ka tsy tokony hataon’ny mpampiasa ho ambanin-javatra mihitsy. Tafiditra anatin’ny vina voalohan’ny fitondram-panjakana, dia ny fampandrosoana ny maha olona, rahateo ny sosialin’ny mpiasa.

Tatiana A

Partager sur: