Lavanila : laharam-pahamehana ny tombontsoan’ny mpamboly

Hatao mangarahara ny fitantanam-bola eo anivon’ny filankevi-pitantanan’ny kaomisionina momba ny lavanila (CNV). Jerena manokana ny tombontsoan’ny tantsaha hanatsarana ny sehatry ny lavanila eto Madagasikara.

Voaresaka nandritra ny fivorian’ny filankevi-pi­tantanan’ny kaomisiona momba ny lavanila (CNV), omaly, ny fitantanana mangarahara ny vola sy ny fomba hanatsarana ny sehatra miainga avy any amin’ny tsantsaha. Tafiditra ao anatin’izay ny tombontsoan’ny mpamboly. « Maro ny vokatra naondrantsika nandritra ny taom-piotazana 2023-2024 saingy mila hatsaraina ny vidiny mba hisitrahan’ny Malagasy rehetra, indrindra ireo mpamboly, ny tombontsoa azo avy amin’izany », hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambo­firinga David. Imasoana tanteraka, hoy izy, ny fidiram-bolan’ny mpamokatra sy ny vidin’ny lavanila hanarenana ny lalam-pihariana.
Marihina fa voasolo tena nandritra ny fivoriana natao ireo mpisehatra rehetra nahitana ny mpamboly, ny mpandraharaha ary ny fitondram-panjakana.
Vina
Mikasa hanitatra ny lalam-barotra sy hanondrana lavanila any Azia i Madagasikara ary miandry fatratra ny vokatra malagasy ireo mpandraharaha any an-toerana. Mitaky ny fampiasam-bolan’ny CNV izany hanatsarana sy hampiroboroboana ny vokatra lavanila avy eto amintsika. « Noho izany, mila arafitra ny biraon’ ny kaomisionina handidy sy hanapaka ny fitantanana sy ny fampiasam-bola. Man­ga­rahara sy tsy maintsy dinihina ary mandalo eo anivon’ny kaomisionina kosa ny fanapahana rehetra atao”, hoy hatrany ny minisitra. Tsiahivina fa nidina ny vokatra lavanila maitso ao amin’ny faritra Diana, ny taona 2024. Na­hatratra 384 934 kilao ny azo tamin’ny taon-dasa raha nidina hatrany amin’ny 146 357 kilao izany tamin’ity taona ity.

Henintsoa Hani

Partager sur: